2 PETERA 2.11-16

Andriamanitra manana fahefana

1-Handringana

Eto i Petera dia mampiseho ny toetry ny mpanao fampianarandiso . Niely tamin’ny vanimpotoana avokoa ireo fahasahiana maro samihafa izay mifanohitra tanteraka amin’ny Filazantsaran’i Kristy (and 13,14,15) .Ny Tenin’Andriamanitra dia milaza fa haringana tokoa amin’ny fahalotoany ny toy izany (and.12), ary hiharan’ny ratsy ho valin’ny faharatsiany izy (and.13a). Meloka eo anatrehan’Andriamanitra ny olona izay tsy manao ny sitrapony. Manana fahefana handringana Izy. Mampahatsiahy ny fanamelohana nataon’i Jesoa amin’ireo Fariseo fahizay ny zavamisy, niseho mahafantatra ny lalàna izy ireo kanefa tsy manaiky fahefan’Andriamanitra. Manana fahefana handringana Izy noho izany ny sitrapony no tanteraho.

2 Hamonjy

Nitanisa ireo faharatsian’ny mpanao fampianaran-diso i Petera eto amin’ity lahatsoratra ity. Na teo aza ireo tetika sy paika nentin’izy ireo, Andriamanitra kosa dia misakana azy an-dalana tamin’ny alalan’ny anjely, ary nampitenen’ny Tompo ny boriky. Voavonjy tokoa Balama noho ny fiasan’Andriamanitra tamin’ilay boriky izay tonga nanana feon’olona. Manana fahefana hamonjy ny olony tokoa Andriamanitra amin’ny fotoanany. Tsy misy tiany ho very isika na dia ray aza. Efa nomeny i Jesoa Kristy hamonjy sy hanavotra antsika. Anjaran’ny tsirairay ny manapakevitra. Minoa an’i Jesoa raha te hovonjena.

Fanontaniana :

Samy te ho voavonjy avokoa isika rehetra, inona ary no tokony hataonao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM