SALAMO 41.4-13
Ny herin’ Andriamanitra miasa ao anatin’ny olona
1-Ahatsapana ny maha-mpanota
Mpanota avokoa ny olona rehetra ka » tsy misy marina na dia iray aza » (Rom 3.10) .Ny zanak’olombelona dia tena variana amin’izao fiainana izao ka tsy mahatsiaro an’Andriamanitra .Eto kosa anefa dia niasa tato anatin’ny mpanao salamo ity ny herin’Andriamanitra ka nampirisika azy hifona , hangataka famindrampo sy fiantrana ary fanasitranana avy amin’Ilay Andriamanitra .Tsapany fa diso teo anatrehany izy ka hoy izy : « Efa nanota taminao aho » (and4) .Ny fahatsapana ny hadisoana teo anatrehan’Andriamanitra sy ny fahasahiana hiantoraka Aminy dia tena zava-dehibe amin’ny fiainam-panahy hahazoantsika misitraka ny famelankeloka .Maneke fa mpanota isika .
2- Mahatonga antsika ho sahy hitaraina amin’Andriamanitra
Tonom-bavaka ity nataon’ny mpanao Salamo ity .Fantany tsara ny toetry ny fahavalony .Tsy nanana tahotra izy hilaza izay ao am-pony . Notanisainy avokoa ireo toetra ratsin’ny fahavalony , fa izay tena nampalahelo ny mpanao salamo dia ny fahitana ny sakaizany izay tiany indrindra nivadika taminy .Sahy nitaraina ny mpanao Salamo ary nangataka ny herin’Andriamanitra mba hanangana azy . Fahasahiana tahaka izany no andrasan’ny Tompo amiko sy aminao .Zava-dehibe ny fahatsapana fa tsy misy azo antenaina afa-tsy Andriamanitra irery ihany .Araka izany , aoka tsy hisalasala miresaka sy mitaraina Aminy , fa i Jesoa dia efa nilaza izany ao amin’ny Matio 11.28
Fanontaniana :
Manao ahoana ny fisehoan’ny herin’Andriamanitra eo amain’ny fiainanao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM