Mofonaina 24 Mars 2023: Mat 9/9-13
Fiantsoana an’i Matio ho isan’ny Apostoly no hita eto. Levy no anarany, fa Jesoa no nanome ny anarana hoe Matio. Matio= fanomezan’Andriamanitra; misy koa milaza hoe matanjaka, mitombandahy.
Teo ampamorian-ketra izy no nantsoin’i Jesoa hoe: Andeha hanaraka Ahy. Tsy nisy fanontaniana, tsy nisy fisalasalana, fa avy hatrany dia nandeha. Sady nanaraka an’i Jesoa izy no nanasa AZY hisakafo. Tonga koa anefa ny mpamory hetra maro sy ny mpanota (vehivavy janga) jer. Mat 21/31. Amin’ny maha-mpamory hetra azy dia voasokajy ho isan’ny meloka, mitovy laharana amin’ny vehivavy janga. Tsy diso akory izany, kanefa izay fototra sy antony nidinan’i Jesoa teto antany dia ny mpanota.
Lohan’ny mpanota i Paoly Apostoly (ITim 1/15). Manaiky ho isan’ny olo-meloka i Petera (Lio 5/8). Zakaiosy koa mpanota (Lio 19)1sns). Ilay vehivavy Samaritana mpanota (Jao 4). Matio torak’izany. Tsy misy marina na iray aza (Rom 3/10). Izaho izao mihoatra noho ireo rehetra ireo. Fa izany indrindra no nanekena hodiovin’ny rà soan’i Jesoa Kristy, ary izany no nahatongavany sy iriny ho antsika.
HAFATRA : aza izay fijery na fitsaran’ny hafa no atao ho zava-dehibe sy hampihorohoro. Ny maloto tsy mahita afa-tsy ny loto (Fariseo). Aoka ny fijery sy fitsaran’ILAY MADIO SY MASINA, dia Jesoa no hatahorana. Koa raiso IZY dia ho voadio sady hamarinana ianao.
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena

Source