Mofonaina 26 Mars 2023: Zef 2/1-3
Mitadiava an’i Jehovah, ianareo mpandefitra rehetra amin’ny tany,
Izay efa nanaraka ny fitsipiny:
Tadiavo ny fahamarinana,
Tadiavo ny fandeferana;
Angamba ho voafina ianareo amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.
1-Nahoana no miantso ny mpandefitra hitady AZY JEHOVAH?
Satria henika ny faharatsiana ny tany. Diniho ireto faharatsiana ireto:
1/5: manompo volana amankitana ny olona. Manompo sampy. Misabaka: sady manompo an’i Jehovah nefa mianiana amin’ny Malkama
1/6: tsy mandroso hanaraka AZY, fa mihemotra
1/8: mampidera fitaovam-pananahana (pornographie) amin’ny fanaovana ny fitafian’ny firenen-kafa
1/8: manome tsiny an’i Jehovah : lazaina fa sady tsy hanao soa no tsy hanao ratsy.
Ny 1/4-17 dia momba ny Joda, 2/4-7 momba ny Filistina, 2/8-10: momba an’i Moaba sy Amona, 2/12: Etiopia, 2/13-15 momba an’i Asyria.
Koa tsy gaga isika raha miantso fitadiavana ILAY MPAMERINA AMIN’NY FAHAMARINANA, ho an’izay mihainoa AZY
2-Ahoana no fitady an’i JEHOVAH ?
Tsy mivavaka amin’ny volana amankitana. Aza manana andriamani-kafa, fa Jehovah ihany
Tsy manompo Tompo roa. Aoka ny teninareo ho Eny dia Eny
Mandroso hatrany fa tsy mihemotra, na misy loza aza. IZY hiaro anao
Efa nandatsaka ny rany ho fanadiovana Jesoa. Itafio Jesoa Kristy, manahafa AZY
Tsara Jehovah. Tsara no nohariany. Matoa misy tranga miseho ka mampalahelo anao, fantatro izay antony.
Ny fanafenana antsika tsy amin’ny loza eto antany fotsiny, fa afeniny tsy ho tratry ny helo sy ny fiainantsihita ianao raha mitady AZY
Noho izany, tadiavo mandrakariva IZY.
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena
Source
0 Commentaires