Mofonaina 24 Mars 2023: Rom 13/1-10
Mpizara roa ny epistily ho an’ny Romana: ny tokoa 1-11 dia fampianarana, ny tokoa 12-16 kosa dia fampiharana. Fitondran-tena mahamendrika ny Kristina no lohateny amin’ny toko 12-13. Koa ny toetra mendrika ny kristiana nohamarininy no tsapako eto.
And.1-5: manaja ny mpitondra izay mpanompon’Andriamanitra. Tsy Andriamanitra akory izy ireo fa mpanatanteraka izay baiko nomena azy ireo. Raha sanatria ka tsy tanteraka izy ireo dia manana adidy mivavaka ho Azy ireo sady manoro raha ilaina izany.
And.6-7: manefa ny adidy ara-bola. Tsy maintsy mandoa hetra sy fadin-tseranana, haba…sns… Tahaka izay fanaovana adidy amim-pitiavana any ampiangonana no hanefana izany. An’i Jehovah ny harena eo an-tànantsika, ka misolo-tena an’i Jehovah amin’ny famelomana azy ireo isika, sady fampandrosoana ny firenena rahateo izany.
And.8-10: marina fa didy sady lalàna izany, kanefa tsy maintsy atao amim-pitiavana. Ny Fitiavana no maha-IZY AZY, ny Fitiavana no fototra maha-Andriamanitra AZY. Raha tena kristiana isika dia mitoetra sy miaina ny fitiavana. Izany rahateo no fehin’ny lalàna rehetra. Noho izany, manahafa AZY.
HAFATRA : tsy tonga lafatra ny mpitondra, tahaka antsika. Andeha hivavaka ho azy ireo hihavao sy hihatsara ka ny Tompo mihitsy no hamerina azy ireo ho amin’ny fahamarinana dia handroso ny firenena ary hiadana ny vahoaka.
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena

Source