Mofonaina 23 Mars 2023: 2Mpanj 24/1-6
Fintinina fohy ny momba an’i Joiakima:
Eliakima= nasandratr’Andriamanitra no anarany, ary novana hoe: Joiakima= nasandratr’i Jehovah.
Tsara dia tsara ny anarana, fa ny toetra kosa ratsy dia ratsy. Nahoana? Raha nanoratra nilaza fanambarana ny amin’izay tokony hibebahana i Jeremia (Jer 33), dia nodoran’i Joiakima mpanjaka ny taratasy sady nisambotra an’i Jeremia sy Baroka izy. Jehovah Andriamanitra anefa nanafina ny olony.
Koa satria tsy nibebaka Joiakima sy ny olony, dia tonga tokoa ny fahavalo nanafika azy. Farao-Neko koa tsy afaka namonjy azy. Vokany: resy. Ary ny fiafaran’ny fiainany dia fahafatesana mahamenatra.
Inona no HAFATRA tokony horaisintsika? Mihainoa ny tenin’i Jehovah, ary ankatoavy izay lazainy ho famonjena sy fanavotana sady fanamarinana anao.
Hoy ny teny miverilberina ao amin’ny Baiboly: “Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.” ( Lio 8/8; 14/35; Apok 2/7,11,17,29; 3/13,22). Koa henoy IZY. Aoka anefa tsy ho mpihaino manadino ka mamita-tena, fa aoka ho mpankatò sy mpanao ny sitrapony dia ho henika ny fitahiana sy ny fiadanana ary ny fiainana mandrakizay.
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena
Source
0 Commentaires