ROMANA 5.15-21

Ny fanamarinana avy amin’Andriamanitra

1-Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy

« …mainka ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanomezana amin’ny fahasoavan’ny olona iray , dia Jesoa Kristy no tonga be ho an’ny maro kosa  » (and 15)

Tamin’ny alalan’i Adama no nidiran’ny ota tao amin’ny olombelona ka niteraka fahafatesana ,kanefa rehefa tonga i Jesoa Kristy , ilay fahasoavan’Andriamanitra ,dia nohamarinina maimaimpoana tamin’ny alalan’ny finoana Azy ny olombelona . Izany no antsoina hoe : « fahasoavana ». Hamarinina amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy isika . Ary izany no mahatonga ny olombelona rehetra taomina hino an’i Jesoa Kristy , satria izay mino an’i Jesoa Kristy , Ilay fahamarinan’Andriamanitra ihany no handray fanamarinana avy Aminy .Ny olona mino an’i Jesoa Kristy no nohamarinina maimaimpoana . Koa minoa an’i Jesoa Kristy dia handray fanamarinana avy amin’Andriamanitra ianao.

2-Manana fiainana mandrakizay

« …hanjakan’ny fahasoavana kosa amin’ny fahamarinana ho fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika  » (and 21)

Rehefa nohamarinin’Andriamanitra tamin’ny alalan’iJesoa Kristy ,araka ny fahasoavana nentiny ny olona dia manjaka ao anatiny ny fiainana mandrakizay .Tonga mpandova ny fiainana mandrkizay ilay olona mino . Koa na dia tsy mbola miaina izany amin’ny fahafenoana aza izy dia efa ao anatiny ny fiainana mandrakizay . Noho izany ,ny mpino kristiana izay efa nohamarinina tamin’ny finoana an’i Jesoa Kristy dia efa mpandova ny fiainana mandrakizay . Tsy ny ota izay mitarika ho amin’ny fahafatesana intsony no mibaiko ny fiainany fa ilay fiainana mandrakizay .

Fanontaniana:

Ahoana ny fiainanao ny fanamarinan’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM