ROMANA 4.13-22

Mampianatra antsika ny mofonaina anio fa izay isaina ho fahamarinantsika dia :

1-Tsy ny fanarahana bontolo ny lalàna (and 13)

« fa tsy ny lalàna fa ny fahamarinana amin’ny finoana … » ,hoy i Paoly manazava eto . Asongadiny amin’izany fa tsy ny fanarahana antsipirihany sy ara-bakiteny izay voalazan’ny lalàna akory no inona .Tsy midika koa anefa izany hoe : tsy ilaina ny lalàna , fa tsy ny lalàna akory no mahavonjy ary tsy ny lalana akory no Tompo . Efa nahavoa ny Fariseo tamin’ny andron’iJesoa io fianteherana amin’ny lalàna io ka zary lasa fisehosehoana ivelany sy fombafomba fotsiny ihany sisa ny fivavahany . Efa nitenenan’i Jesoa mafy ny Fariseo izany .Taomina kosa isika tsy halaim-panahy hanahaka ny Fariseo ka ny fombafomba sy tarazo samihafa indray no atao ho zava-dehibe sy itompoana teny fantatra .

2-Ny finoana ny Tenin’Andriamanitra (and18,19)

« Ary na dia efa tsy nisy nanantenana intsony aza dia nanantena ihany izy ka nino mba ho rain’ny firenena maro... » .Miharihary eto fa ny tena sarobidy dia finoana ,tahaka ny an’ i Abrahama . Raha ny maha-olombelona azy no jerena dia toa mampanantena poakaty Andriamanitra na manao resaka tiana hateza ,satria lahy antitra efa ho zato taona sy vehivavy momba i Abrahama sy Saraha, saingy tsy nampisalasala an’i Abrahama na dia kely monja aza ny fampanantenan’Andriamanitra , satria nino izy fa tsy misy zava-mahagaga izay tsy hain’i Jehovah . Taomina koa ianao hino sy hatoky tsy am-pisalasalana ny Tenin’Andriamanitra ho anao , fa io fisalasalana io no nampilentika an’i Petera rehefa nasain’iJesoa handeha tambonin’ny rano izy ( Mat 14.30 )

Fanontaniana :

Finoana manao ahoana izao no fahatsapanao ny finoanao .

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM