MARKA 2.1-12
Manankery amin’izay mino ny Tenin’ny Tompo
Misy sokajin’olona roa mazava tsara eto amin’ity Perikopa ity .

1-Ireo avy any ivelany
Voalaza fa nisy olona efa-dahy tsy tafiditra fa teny ivelany noho ny habetsahan ‘ny olona nihaino an’i Jesoa .Nosokafan’izy ireo ny tafo mba hampidinany ny marary nentiny mba ho tonga eo anatrehan’ny Tompo . Ny olona nahita ny nataon’izy ireo dia gaga sy talanjona fa i Jesoa kosa nahita fa asan’ny finoana tao anatin’izy ireo izao nataony izao (and5)
2-Ireo tao anatiny
Voambara eo amin’ny and 6 fa nisy mpanora-dalàna tao anatin’ny trano . Raha niteny hoe : tao anatin’ny trano dia milaza indrindra izany ny olona akaiky sy nihaino an’i Jesoa . Raha nandre ny tenin’i Jesoa izy ireo dia nanameloka an’i Jesoa .
Fehiny : Mila mitandrina isika sao isika mihaino isanandro ny Tenin’ny Tompo indray no tsy hanana finoana raha oharina amin’ireo any ivelany .
Fanontaniana :
Manao ahoana ny fatran’ny finoanao ny Tompo ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM