LIOKA 5.1-11

Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra

1-Ahazoam-bokatra

Efa hatry ny alina , hoy i Petera no tsy nahita vokatra tamin’ny fisasarana izy ireo, kanefa mbola asain’ny Tompo mamerina indray ny fanaratoana , sady efa vizaky ny asa alina no trotraky ny tsy fahombiazana izay nitranga no mbola asaina miverina manarato indray . Raha ny marina dia nanaiky tsy sazoka i Petera eto : « noho ny teninao dia halatsako ihany  » . Maro ny zava-mahakivy tsy ahitantsika fahombiazana . Antsoy Andriamanitra ary asaivo miteny hitondra antsika amin’ny fahombiazana .

2-Ahazoana asa vaovao

Raha ianao no mangata-bavaka amin’ny Mpitandrina hoe : ento ambavaka ity asako ity ka tonga mandeha be ilay asanao . Hiala na hanary ilay asa ve ianao ka hanao hoe : avelako eo ity asa ity fa andeha hitory ny Filazantsara aho ? Valiny : TSIA ,fa jereo i Petera : nafoiny ny zavatra rehetra fa nanaraka an’iJesoa izy . Ary asa fanaratoana olona no natolotry ny Tompo azy . Ny fanaratoana trondro dia manala ny trondro ao anaty fahavelomany ka mitondra azy ety an-tanety dia maty izy . Ny fanaratoana olona kosa dia manala ny olona amin’ny fahafatesana ka mitondra azy amin’ny fahavelomana .

Fanontaniana:

Ahoana re no ataonao raha teo amin’ny toeran’i Petera ianao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM