JAONA 11.38-46

«  Ry Lazarosy, mivoaha ! « ( Jaona 11.43)

Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra

1-Manamarina ny asa ataony

Nisy adihevitra teo amin’i Jesoa sy i Marta ny amin’ny zava-mitranga dia ny fahafatesan’i Lazarosy anadahiny . Ary hita mihitsy aza ny fisian’ny tsy fifankahazoan-dresaka ny amin’ny fitsanganan’i Lazarosy amin’ny maty ( vakio and23-24) .Misy fotoana isika tsy mety mino izay ambaran’ny Tenin’Andriamanitra , satria manana izay efa milafika sy arafitry ny fahalalantsika ao an-tsaintsika ao . Ka na dia ny Tenin’Andriamanitra aza dia toa lavintsika ny fahamarinany . Manamarina ny asam-pamonjena ataon’i Jesoa eto ny fahefan’ny Teniny nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty .

2-Mamoaka antsika anaty fasana

Lazarosy tao am-pasana no nantsoin’i Jesoa tamin’ny feo mahery .Efa tsy niara-niaina tamin’ny fianakaviany intsony i Lazarosy satria efa tany amin’ny fitoeran’ny maty .Moa tsy sarintsika va izany ? Isika maty noho ny fahotantsika , anisan’ny voaheloka satria tsy nanao izay sitrapon’Andriamanitra .Isika no itenenan’i Jesoa ihany koa hoe : MIVOAHA ! Fa Lazarosy nandre ka nivoaka fa isika kosa dia maro no tamana anaty ota ka tsy te-hitsangana ao mba hanatona an’i Jesoa . Ny Tenin’Andriamanitra ihany no afaka hanafaka antsika .

Fanontaniana:

Inona no ota mbola mihazona anao tsy hanatona ny Tompo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM