Herinandron’ny fianam-pianakaviana. Lohahevitra : ho fanambadiana mafy Irina sy tokatrano milamina Ary fiainam-pianakaviana mirindra. Ireto Ny perikopa sy lohahevitra isan’andro: Alatsinainy: Gen 2.18-25; Mat 7.24-29; Efes 5.22-33, ho fanambadiana tsara fototra sy mafy orina amin’ny Tenin’Andriamanitra, Talata: Ohab 5.7-23; Mat 2.19-23; I Tim 6.11-16, ho lehilahy matotra sy tompon’andraikitra mampiadana Ny vady aman-janany araka ny baikon’ny Tompo, Alarobia: I Sam 25.23-35; Lio 1.5-17; I Pet 1.3-6, ho vehivavy hendry sy mendrika mandeha araka ny Tenin’Andriamanitra ho fitahiana ho an’ny ankohonany, Alakamisy: Deo 6.1-9; Lio 15.11-32; Efes 3.14-21, ho raiamandreny mahay manabe sy mitarika ny zanany ho fehezin’ny Tenin’Andriamanitra, Zoma: Jer 1-6-10; Lio 2.41-43; 2Tim 3.14-17, ho zanaka manaja sy mankatò Ny raiamandreniny araka ny didin’Andriamanitra, Sabotsy: Sal 128; Mat 21.28-31a; Efes 6.1-4, ho tokatrano sy fianakavian’i feno fahasoavana araka ny fikasan’Andriamanitra. Mazotoa sy mahereza
Source
0 Commentaires