MARKA 1.21-28
Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra dia
mampihorohoro ny fanahy maloto (and24-25)
Ao anatina toriteny na fampianarana dia efa talanjona aloha ny olona ny amin’ny fampianarany satria misy fahefana ny teniny fa tsy mba toy ny an’ireo mpanora-dalàana sy Fariseo .Ireo mantsy rahefa mampianatra dia mitanisa tenina mpandinika na olo-kendry fotsiny no ataony , fa i Jesoa kosa dia tsy mba toy ireny satria Izy no Mpanjakan’ireny mpandinika sy olo-kendry ireny . Tao anatin’izany fampianarana izany indrindra dia tsy nahazaka intsony fa nihorohoro ny fanahy maloto noho ny fahefana ananan’i Jesoa tao amin’ny fampianarany hany ka nampihetsika ilay lehilahy iray .Efa tsy zakany intsony ny herin’ny fahefan’i Jesoa ka nihorohoro izy ka niteny hoe: « moa mifaninona akory izaho sy ianao ry Jesoa avy any Nazareta ? avy handringana anay va ianao ? fantatro fa Ilay masin’Andriamanitra ianao .« Ary ny Tenin’i Jesoa no nandroahany ilay fanahy maloto dia niala izany .Soa ny Tenin’Andriamanitra ,satria miy fahefana ka afaka mifehy ny tontolon’ny fanahy .Izany anefa dia tsy hain’izao tontolo izao mihitsy na inona na inona fahaizany na fari-pahalalany.Ny tontolo ara-pahatsapana ihany no mba azony fehezina raha voafehiny , fa ny ara-panahy dia mitazana fotsiny no ataony .Jesoa Tompo no mahery indrindra , satria hoy Izy ao amin’ny Matio 28.18 « efa nomena ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany« .Izany no mahatonga ny fanahy maloto rehefa miteny Izy satria manam-pahefana Izy
Fanontaniana:
Ahoana ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra aminao rehefa toriana ny Teniny .Manam-pahefana ve Izy ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM