HEBREO 1.1-4
I JesoaKristy Ilay Teny tonga nofo no
ivon’ny fifandraisan’Andriamanitra sy ny olona
« dia amin’izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny zanany » ,izany hoe : ambaran’ity mpanoratra ny bokin’ny Hebreo ity fa tamin’ny taloha dia ireo Mpaminany no nitenenan’Andriamanitra fa amin’izao kosa dia JESOA . Raha te-hamantatra ny hevitra na ny Tenin’Andriamanitra ny olona dia ao amin’i Jesoa Kristy no hahafantarany izany . Iray ihany tsinona ny Ray sy ny Zanaka .Koa izany no ilazana fa ao amin’i Jesoa Kristy no misy ny hevitr’Andriamanitra Ray ho an’izao tontolo izao , indrindra fa ho antsika zanany . Hoy ny 1 Timoty 2.5 » fa iray no Andriamanitra ary iray no mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona dia Kristy Jesoa izay olona … ». I Jesoa no IVO eo amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra Ray . Betsaka amin’ny olona amin’izao tontolo izao , eny na dia kristiana samy hafa finoana no diso finoana ka mandray ny olona voafidin’Andriamanitra . Eny fa na dia isika koa aza dia mbola mety voafitaka ? Mila mitandrina isika !
Fanontaniana :
Efa saika voatariky ny toy izany ve ianao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM