ZAKARIA 1.1-6

Maharitra mandrakizay ny Tenin’Andriamanitra

Ny iantefan’ny Tenin’Andriamanitra eto dia ny Israely,momba ny razamben’izy ireo izay nilazana nyTeniny kanefa noheverin’izy ireo fa tsy ho tanteraka , nataony horediredin’ny mpaminany fotsiny ka n notsinitsiaviny tanteraka. . Asehon’i Jehovah Andriamanitra àry fa ny Teniny ihany no mbola mitoetra tamin’ireo telo nisy tamin’izany dia ny Teniny, ny Mpaminaniny ary ny vahoakany maditra . Vokany : maty ringana noho ny fahotany ny vahoakany, ny Mpaminany koa dia maty, fa iza sisa no mitoetra ? Ny Teniny ihany no mitoetra mandrakizay .

Tsy hoe : marina tamin’ny andron’iZakaria ihany ny Tenin’Andriamanitra fa mbola marina amin’izao androntsika izao ary mbola ho marina amin’ny andron’ny taranantsika maro any aoriana any . Maro no mihevitra fa tsy misy antony hanaovana ho zava-dehibe ny miala amin’ny faharatsiana noho ny Tenin’Andriamanitra satria tsapany fa tsy eo no eo ny fahatanterahany fa mbola afaka fotoana maharitra . Koa amin’izany dia ataony ihany ny ratsy ataony. Mety hino ihany izy raha eo no ho eo dia tanteraka izany. Misy tenin’iJesoa manao hoe :  » ny lanitra sy ny tany ho levona fa ny Teniko tsy mba ho levona  » Lioka 21.33, izany hoe: na dia ho avy aza ny farandro sy ny fambara rehetra momba azy, ny Tenin’Andriamanitra mitoetra foana ho marina ary tsy maintsy ho tanteraka izay lazainy . Noho izany , toky ho antsika zay manao ny marina izany fa loza mitatao kosa ho an’ny ratsy fanahy .

Fanontaniana :

Manao ahoana ny fihetsehamponao raha misy tenin’Andriamanitra voarainao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM