Mofonaina 11 Jan 2023: Isa 45⁹-¹³:
1.Jehovah MPAHARY no mandrindra sy mandamina ny zavatra rehetra. Izy no nahary ny loza (and.7). Misy antony ny nahatonga ny fahababoan’ny Zanak’Isiraely. Izy ihany no naniraka ny mpanavotra na mpanapaka. Raha eto dia Kyrosy no nataony fitaovana hamerina ny olony antanindrazana (and.1-6). Ny Anton’ny fihantsoana an’i Kyrosy sy fanafahana ny olony, dia ny hahafantaran’izao tontolo izao, fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy IZY JEHOVAH MPAHARY.
2.Jehovah MPAHARY no miahy ny zanany. Raha sanatria mihevitra hahavita tena na hahavonjy tena ny Zanak’Isiraely dia ahitsiny. Ambarany dieny mialoha ny zavatra ho avy. Midika izany fa IZY ihany no mandahatra ny zavatra rehetra, ny heriny sy ny fahefany no fototry ny famonjena sy ny fanafahana (and.11-13). Ny hany andrasany sy takiany amin’ny olony dia ny hanaiky ny fahefan’i Jehovah MPAHARY sy hanambara izany amin’ny hafa.
HAFATRA : misy zavatra maro mitranga eo amin’ny fiainantsika. Maro amin’ireny no tsy zaka, maro no mampanontany tena, maro koa aza no anomezantsika tsiny an’i Jehovah Tompo. Aza mifandahatra AMINY. Ekeo ny fandaharany, iareto ny fahoriana fa hianoka sy higoka fahasambarana ianao aorian’izay. Diniho ny fahorian’ny olony: Joba, Daniela, Sadraka sy Mesaka ary Abednego…sns… indrindra Jesoa. Nijaly aloha vao niravo. Fiderana AZY atao matanjaka, fitoriana no andeha hamafisina. Mahereza.
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena
0 Commentaires