ASAN’NY APOSTOLY 4.1-12

Ny tena mpitory Filazantsara

1-Misedra sakantsakana (and1-12)

Nositranin’iPetera  sy Jaona tamin’ny Anaran’i Jesoa  ilay  lehilahy nalemy  tongotra , izay nangataka teo an-kianjan’ny tempoly.Taorian’izany dia  dia nampianatra  ny vahoaka tao  amin’ny tempoly izy roalahy ka nanambara  fa efa nitsangana tamin’ny maty tokoa i Jesoa .Betsaka no nino ny Tenin’ny Tenin’Andriamanitra izay nambaran’izy ireo (and4).Tsy tantin’ireo  mpisorona sy ny lehiben’ny mpiambina ary ny Sadoseo ny nahita izany rehetra izany ka nahatonga azy ireo  hisambotra azy roaloahy.Noheverin’iretsy farany  fa raha rahonana eo anatrehany izy roalahy  dia hitsahatra sy tsy ho sahy  hanohy  ny asany intsony .Tsarovy  fa ny asa fitoriana ny Filazantsara dia tsy maintsy  hisedrana fabkahalana  sy ny sakantsakana maro samy hafa , nefa koa aoka hivonona amin’izany  ny  mpitory  ka tsy hihemotra .

2-Feno fahasahiana (and8-12)  

 Raha amin’ny maha-olombelona fotsiny dia ho sarotra ny hamaly mazava ny fiampangana satria efa fantany  rahateo  fa ny  fitoriana ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy no andrarana sy anton’ny fanamelohana , ka mety hampidi-doza azy roalahy, kanefa  arakaraka ny nandrahonana sy nisamborana azy ireo  no vao mainka nananany  fahasahiana ka nanambarany  mazava fa ny fahefan’i Jesoa no netiny nanasitrana ilay lehilahy  malemy .Sahy izy ireo  satria feno ny Fanahy Masina .Tanteraka teto  ny toky nomen’i Jesoa  hoe : « Koa raha mitondra anareo  hatolotra izy , dia aza manahy rahateo izay holazainareo fa izay teny omena anareo amin’izany ora izany no holazainareo , fa tsy ianareo no hiteny fa ny Fanahy Masina »(Mar 13.11)

Fanontaniana :

Hatraiza ny fahasahian’ny fiangonana mananatra ny mpitondra sy ny manam-pahefana amin’izay tsy mety ataony ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM