LIOKA 12.32-40

Ny olona nomen’Andriamanitra ny  fanjakany

 Mampiavaka ny Filazantsara  araka ny Lioka ny fanasongadinana  ny fihetsik’iJesoa  manoloana ny kamboty ,ny malahelo,ny voan’ny tsindry hazo lena,ny mpifatotra ,ny marary,ny ankizy sy ny olona nomena ny  fanjakan’Andriamanitra dia :

1-Manao asa fiantrana (and33-34)

 Jesoa dia manome anjara toerana an’ireo  olona voailikilika  eo amin’ny fiaraha-monina . Asehon’ny mpanoratra fa ny tena zanak’Andriamanitra dia mampifanaraka ny teny sy ny asa,tahaka izay nataon’i Kristy . « Fa  izay itoeran’ny  harenareo  dia ho any  koa ny  fonareo ».Tsy  nilaza akory Jesoa fa mahadiso  ny Kristiana  ny fananana trano sy harena. Ary rariny  aza raha ny zanaky ny fanjakan’Andriamanitra  no misitraka ny harena nomen’Andriamanitra azy ao amin’ny taniny . Saingy  mampitandrina kosa izy mba tsy ho latsaka amin’ny fitiavam-bola tafahoatra ,ka hahaizany mizara izany . Mba tsy ho izy ihany no hanankarena nefa ny manodidina  azy fadiranovana .

2-Miambina (and35-40)

 Asehon’I Jesoa  amin’ny alalan’ny sary  an’ohatra izay  tokony ho fiomanana takina amin’ny vahoakan’ny fanjakan’Andriamanitra eo am-piandrasana ny fiverenan’ny Tompo . Mahafaly  ny Tompo  raha amin’ny fiverenany  no mahita  ny  mpino feno fahavononana amin’ny fitsenana Azy,vonona  mandrakariva amin’ny asa fanompoana  rehetra mety ilaina amin’ny fahatongavany.Izany no hevitry ny hoe: “Aoka hisikina ny valahanareo sy hirehitra ny jironareo” (and35). Ankoatra izany dia tsy maintsy ho mailo  hatrany  isika satria ho tampoka ny fahatongavany (and39-40)

Fanontaniana:

Nahoana no misy mahantra ao am-piangonana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM