OHABOLANA 8.12-21
Ny zava-tsoa azo avy amin’ny fahendrena
Ny fanajana ny Tompo no loharanom-pahendrena (Oha 9.10-DIEM) .Inona àry ny tombosoa azo avy amin’ny fahendrena ?
1-Fisainana mazava (and12-14)
Ny olona manana fahendrena dia fetsy sy malina ,mahay mamolavola sy mandahatra ny zavatra rehetra ataony ,sady mahay mikaroka vahaolana.Ny fahatahorana sy fanajana ny Tompo no saina mitarika azy amin’izany.Ny fifandraisan ’izany amin’izay iainantsika mpino ankehitriny dia izao : ny Tenin’Andriamanitra no fanilon’ny tongotra sy fanazavana ny làlantsika eo ambany fitarihan’ny Fanahy masina .Ny olona manaiky ny fitarihan’ny Fanahy Masina no hanana fisainana mazava.
2-Fahaiza-mitarika ( and15-16)
Asehon’ny mpanoratra eto ny tombotsoa azon’ireo mpitondra sy manam-pahefana ny fananana fahendrena no mampaharitra ny fanjakan’ny mpanjaka , hahafahan’ny mpitondra manao ny asany ara-drariny , ifehezan’ireo mpifehy , ahafahan’ny mpitsara sy ny loholona mitsara araka ny rariny sy ny hitsiny .Araka izany dia tsy ny fanaovana didy jadona sy ny fampiasan-kery no atao hoe: fahaiza-mitondra fa ny fananana fahendrena .
3-Fanambinana (and17-21)
Izay mikatsaka fahendrena dia hahita azy tokoa ary izay manaraka azy dia tiany ka omeny fanambinana be dia be .Anisan’izany ny harena maharitra sy mateza ,ny voninahitra (and18).Ambara eto fa izany fanomezana izany dia tsara lavitra noho ny volamena sy ny volafotsy .Hoy I Jesoa:”Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany , dia hanampy ho anareo izany rehetra izany” (Mat 6.33)
Fanontaniana:
Mahadiso ny Kristiana ve raha mba maniry hanakarena , na manana fikasana ho mpitondra firenena izy ? Hazavao .
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM