JEREMIA 29.4-9

Mitaiza ny vahoakany ny Tompo

Ity taratasy ity dia teny faminaniana izay nasain’i Jehovah ambaran’i Jeremia amin’ireo mponin’i Joda lasan-ko babo tany Babylona.Milaza izany fa tsy afoin’ny Tompo ny vahoakany.

1-Na dia any am-pahababoana aza

Efa samy nanarin’ ny Tompo tamin’ny alalan’ny  mpaminany  avokoa na I Joda , na Israely  , fa hahita loza ireo  raha tsy miverina amin’Andriamanitra .Tsy  nihaino  anefa izy ireo  ka dia izao  niafara tamin’ny fahababoana izao . Andriamanitra  mihitsy no nanolotra azy ireo hobaboin’ny Babyloniana .Manamarina izany ny and 4”…izay natolotro ho babo  avy tany Jerosalema ho any Babylona…” .Nampitondra teny ho  azy ireo  ny Tompo tamin’ny alalan’I Jeremia mpaminany  .Araka izany  dia azo lazaina fa fomba entin’Andriamanitra hananarana sy hanitsiana ny vahoakany  no  anton’izao  zava-mitranga izao fa tsy dia nafoy akory izy ireo .

2-Mikatsaka izay hahitany fiadanana

 Eto  dia manome toromarika  ho  azy ireo  ny Tompo  ny amin’izay  tokony  hataony any an-tanin’olona mba hananany  fitoniana sy hahitany  fiadanana.Nanolo-kevitra  azy ireo  ny Tompo  mba hanorina trano onenana, hamboly  sy hioty  ny vokatra avy aminy , sady nitsodrano azy koa mba hitombo taranaka :”Hihamaro anie ianareo fa tsy hihavitsy” (and6b-DIEM) .Nasain’ny Tompo  hivavaka koa izy ireo  mba hampisy  fiadanana any  amin’ny tany izay nahalasa azy ho  babo :”fa raha  miadana izy  dia mba hiadana koa ianareo”(and7).Tsy  ny mitsara sy  manameloka no adidin’ny fiangonana  fa ny mitondra am-bavaka ny  mpitondra sy ny vahoaka ao aminy  mba hisian’ny  fiadanana ho an’ny mponina rehetra .Ankoatr’izany  dia antitranterin’ny Tompo  mafy ny tsy  hanarahan’ny vahoakany ireo mpaminany sandoka.

Fanontaniana:

Inona no lesona azo tsoahana avy amin’ny fahoriana?

Sampana Sekoly Alahady  FOIBE FJKM