1 SAMOELA 28.15-20

Ny vokatry ny fikomian’i Saoly tamin’Andriamanitra

Nesorin’Andriamanitra tamin’i Saoly ny Fanahiny .Inona no vokatr’izany ?

1-Tahotra ny fahavalo (and15)

Vokatry ny fahotany dia fantatr’i Saoly fa tsy miandany aminy Andriamanitra ,i Samoela mpaminany rahateo dia efa maty ka tsy nisy nakana hevitra intsony , i Davida izay mpiady mahery izay natahoran’ny Filistina dia nenjehiny sy nokasainy hovonoina noho ny fialonana sy ny fitiavam-boninahitra .Tsy nahagaga raha natahotra fatratra izy teo anatrehan’ny Filistina izay fahavalony .Ny herin’ny fahavalo mpifanandrina aminy no hitany fa goavana ka nahatahotra azy .Tsapany fa tsy mari-toerana intsony ny fanjakany. Aoka hangataka amin’ny Tompo isika mba tsy toy izany ka hanao hoe: « Aza manary ahy hiala eo anatreahanao , ary aza manaisotra ny Fanahinao amiko  » (Sal 51.11)

2-Fiverenana amin’ny fanompoan-tsampy (and 16…)

Ny nahagaga dia ny tsy nananan’i Saoly saina hiverina sy hibebaka amin’Andriamanitra sy hiandrandra ny famonjena avy Aminy . Fony vao nanjaka i Saoly dia efa noroahany tsy ho hita teo amin’ny fanjakany avokoa ireo mpisikidy sy mpamoha angatra rehetra ,satria fahotana eo anatrehan’Andriamanitra izany.Izao anefa izay indray no midodododo sy mitady mpamoha angatra.Tsy mitondra fampaherezana ho azy ny fandehanany tany fa vao mainka aza nihaketraka ny heriny ,nitombo ny tahotra (and 19,20).Nidongy tsy nety hihinan-kanina intsony izy raha tsy notambatambazana (and 22,23). Tokony hitandrina isika kristiana , ka hivavaka isanandro sy hankato ny Tenin’Andriamanitra mba tsy hiverenantsika indray amin’ny fahotana izay efa nolavintsika . « Ny amboa miverina indray amin’ny loany » (Oha 26.11)

Fanontaniana :

Azonao antoka ve fa mitoetra ao anatinao ny Fanahy Masina ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM