1 PETERA 2.11-17
Ny mpino ao anatin’ny fiaraha-monina
1-Mandehana amin’ny fahamasinana
Mitaona ny mpino hanana fitondrantena miavaka i Petera . Miaina ao anatin’ny fiaraha-monina ny mpino, mijery ,manara-maso ny fiainan’ny mpino kristiana izao tontolo izao ka mitsara araka izay hitany .Mila mitandrina noho izany ny mpino ka hifady sy handà ny filan’ny nofo,hangataka ny fitarihan’ny Fanahy ,hiaina amin’ny fahamasinana mba tsy hitenenan-dratsy ilay Tompon’ny fanjakana .Mitady ny fomba rehetra hitenenan-dratsy ny fiangonana matetika ilay ratsy .Tarihana ny kristiana nandray marina ny famonjena nataon’i Jesoa Kristy mba hanaja Azy ha hiaina ny fahamasinana.
2-Maneke ny mpitondra
Tompon’ny fanjakana rehetra i Jesoa Kristy .Izy no manendry sy manolotra fahefana ho an’ireo tomponandraikitra samihafa amin’ny sehatra rehetra ao anatin’ny fiaraha-monina . Noho izany dia taomina hijoro ho vavolombelona ny mpino ka hanaja sy hanaiky izay fahefana ao anatin’ny fiaraha-monina ho marika fanajana Ilay Andriamanitra Tompon’ny fanjakana rehetra . Ny fahefana mijoro dia napetrak’Andriamanitra mba ho fitaizana ny olona rehetra hanao ny marina .Raha tsy mendrika ny fitondrantena dia ny mpitondra amin’ny fanjakan’ny tany no mitsara voalohany .Raha manao ny marina ny olona dia tsy afaka hitsara azy ny fitsaran’ny tany ,afaka amin’ny fitsaran’ilay Tompon’ny fahefana rehetra ihany koa izy .
Fanontaniana :
Hatraiza ny fetran’ny fanekena sy fanajana ny fahefana mitondra ao anatin’ny fiaraha-monina ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM