2 SAMOELA 7.8-16
Ilay Andriamanitra mpanjaka
Nikasa hanao tempoly ho an’Andriamanitra i Davida mpanjaka.Mazava ny valiteny nomena ho azy :tsy izy no hanao asa lehibe ho an’Andriamanitra fa Andriamanitra no hanomana ny ho aviny.
1-Miahy ny fiainan’ny mpanompony
Nanana ny fikasany ho an’Andriamanitra i Davida mpanjaka . Ampahatsiahivin’Andriamanitra azy eto fa Izy no niasa teo amin’ny fiainany .Andriamanitra no nanendry azy ho mpanjakan’Israely .Izy no niasa ka nahafahany nandresy ny fahavalo mpanakorontana ny fanjakany .Tsy ny heriny no nampandresy azy na ny nanandatana ny anarany ,nananany ny zavatra rehetra fa noho ilay Andriamanitra niasa teo amin’ny fiainany manontolo .Tadidio fa miasa eo amin’ny fiainanao isanandro Ilay Andriamanitra Tompon’ny zavatra rehetra .Matokia Azy fa ny fahasoavany mitsinjo anao hatrany .
2-Mihevitra ny ho avy
Hanao trano ho an’Andriamanitra no fikasan’i Davida .Manana fikasana lehibe ho amin’ny ho vainy Andriamanitra .Ny Tompo Andriamanitra no hanao trano ho Azy,ny trano sy ny taranaka ho azy , taranaka hanimby azy eo amin’ny fanjakana ,taranaka ampitoeran’Andriamanitra ho amin’ny fanjakana mandrakizay eo amin’ny zanak’Israely .Tsarovy fa mihevitra ny mahasoa anao isanandro ny Tompo .Efa nanolotra ny ainy ho famonjena anao Izy .Ekeo ny hanjakany eo aminao .
Fanontaniana:
Ifampizarao ireo asan’Andriamanitra Tompon’ny zavatra rehetra tsapanao eo amin’ny fiainanao .
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM