MARKA 1.21-28
Ny fanjakan’i Jesoa Kristy
Hitantsika eto ny asa notanterahan’i Jesoa Kristy tao amin’ny synagogan’ i Kapernaomy.Asa nanehoany fa Izy no Tompon’ny fanjakana ka miasa mitondra fahasoavana ho an’ny vahoaka mino Azy .
1-Mitondra fiainana ho an’ny mino Azy
Rehefa nahita ny asan’i Jesoa Kristy ireo olona tao Kapernaomy dia gaga , talanjona tateraka .Tsy tahaka ny fampianarana nataon’ireo tomponandraikitra teo amin’ny Jiosy izany .Ny asan’i Jesoa sy ny fampianarany dia misy fahefana , mitondra fahafahana , famonjena , nisy fiantraikany nivantana teo amin’ny fiainan’ny olona , asa mamelona finoana ,mitaona ny olona hanatona Azy.Ho anao maniry ny tena fiainana: manokana fotoana mandrakariva mba handraisana ny fampianaran’i Kristy mpanjaka , ilay fampianarana misy fahefana hanova ny fiainanao .
2-Mandrava ny fahavalo rehetra
Tao amin’ny Synagoga no niseho izao asan’i Jesoa Kristy manafaka ilay olona voafatotry ny fanahy maloto izao. Azo lazaina fa miseho maneho hery any amin’ny toerana tsy tokony hiasan’ ilay ratsy ny demonia,miseho ho mahalala an’i Jesoa Kristy (and24).Izany fahalalana izany dia hiheverany fa afaka manjaka na mifehy izay fantany izy.Tsy izany no nitranga fa nasehon’i Jesoa Kristy ny fahefany « mangina ianao ka mivoaha aminy« (and25).Resy tanteraka ilay ratsy , afaka tamin’ny fatotran’ny fanahy maloto ilay lehilahy.Na manao ahoana na manao ahoana ny herin’ny ratsy , resy tosika izany rehefa i Jesoa no manjaka .
Fanontaniana :
Inona no mampiavaka an’i Jesoa Kristy sy ny fanjakany ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM