2 Timoty 3. 1-9
Mananatra an’i Timoty zanany i Paoly ny amin’ny zavatra hitranga any am-parany. Ny mpandinika dia milaza fa manomboka eo amin’ny andro Pentekosta ny andro farany ary miafara amin’ny andro hiavian’i Kristy fanindroany. Jereo ȧry:
1- Efa miseho ny famantarana
Tia tena, tia vola, mpandoka tena, mpiavonavona, tsy mahalala fomba, tsy manam-pitiavana, loza be sns… zava-misy eo amin’ny fiaraha-monina ankehitriny ireo voalazan’ny Soratra Masina ireo. Asain’ny Tenin’ Andriamanitra mitandrina isika satria tsy lamaody arahina ireo fa fisehoan’ny andro farany. Ankehitriny mantsy dia ny adalana indray no tonga fahendrena. Izay tsy miakanjo rovitra indray no toa adala fa izay mitafy voron-kitsay hendry. Ary efa miseho lany ny no fampandaniana ireo lalana feno adalana eo amin’ny firenena samihafa. Hoy ny Tenin’ny Tompo aminao: « Ary aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina… » (Rom. 12:2). Famantarana ireny fa tsy zavatra natao harahina akory.
2- Efa betsaka ny tsy miorina (and.5)
Ny karazan’olona hafa indray dia ireo milaza azy ho Kristiana nefa tsy menatra sy tsy matahotra amin’ny fahotana ataony. Tsy anarana entim-poana ny anaran’i Kristy ary mazava fa tsy ny anarana maha Kristiana no mahavonjy fa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra. Na i Jesoa aza efa nanatra mafy ny mpianany fahizay hoe: « Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko Tompoko, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao my sitrapon’ny Raiko Izay any an-danitra » (Mat. 7:21). Aza mianina fotsiny amin’ny fitondranao ny anarana hoe Kristiana fa iaino ny Teniny mba hahatonga anao tsy hanenina amin’ny fiavian’i Jesoa Kristy. « Fa ny amin’izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala na dia ny anjelin’ny lanitra aza, [ary na ny zanaka aza,] afa-tsy ny Ray ihany » (Mat 24.36)
Fanontaniana : Aiza ny toerana misy anao raha ho avy ny Tompo?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM