GALATIANA 4.8-20
Izao taratasy alefan’iPaoly ho an’ny Galatiana izao dia mampianatra antsika hoe : rehefa nandray ny Filazantsara dia :
1-Aza mandrorona (and8-11)
« fa ankehitriny rehefa mahalala an’Andriamanitra ianareo , nahoana ianareo no dia miverina indray ho amin’ny abidiam-pianarana malemy sady tsy misy na inona na inona nefa tianareo hotompoina indray« . Hentitra I Paoly mananatra ny Galatiana “Ry Galatiana adala” aza no niantsoany azy ao amin’ny Gal 3.1) satria efa nanao dingana lehibe ny Kristiana tao, efa nandray ny Filazantsara , kanefa dia mitady hiverin-dàlana indray ka hanadino ny famonjena efa azo rahateo . Efa tafafindra niala tamin’ny fahafateana ho amin’ny fiainana” (Jao 5.24) hoy I Jesoa izay mino Azy. Efa velona izao ve hitady fahafatesana indray ? Tandremo àry mba tsy handraraka ilo mby an-doha , hiverina hilom-potaka indray.Fahadalana bevava izany .
2-Meteza hanarina (and12-16)
“Koa efa tonga fahavalonareo va aho,satria milaza ny marina aminareo?” , hoy I Paoly manohy ny fananarany .Tsy mitsitsy fitenenana I Paoly manitsy ny Galiliana , ny ao ambadik’izany anefa dia tsy fankahalana velively fa fampisaintsainana sy fitaizana aza . Mazana . Mazana tsy tantin’ny olona ny teny mahitsy sy marina atao hananarana azy ka manjary hatsangany ho fahavalo indray izay mananatra .Efa nanjo an’I Jesoa matetika izany , ka ny filazany ny marina no anisan’ny nankahalan’ny Fariseo sy ny namany ka nitadiavany izay hahafaty an’I Jesoa mihitsy. Ianao kosa , taomina anio mba tsy hanetsi-tadiny fa handray am-pitiavana izay fanitsiana ataon’ny ray aman-dreny fa “ny zanaka tiana no anarina” (Apo 3.19)
Fanontaniana :
Manoloana ny mofonaina anio, mby aiza anao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM