Josoa 22. 21-29

Rehefa notsofin’i Josoa rano hamonjy ny lainy ny taranak’ i Robena sy Gada dia nanangana alitara izy ireo rehefa tonga tany amin’ny zara-taniny! Nampatahotra ny Zanak’Isiraely izany fihetsika izany ny amin’ny hahatezitra sy hahatonga an’ Andriamanitra hikapoka ka nivonona hiady izy ireo. Voasoroka anefa izany ady izany, ary izany indrindra no lesona azo tsoahina anio: Mba hisorahana ny Ady

1- Manatona hifampiresaka (and 21)

« Dia namaly ny taranak’i Robena sy Gada ary ny antsasaky my firenen’i Manase… » hitantsika eto fa rehefa nitondra teny i Finehasa Mpisorona sy ireo solontenan’ny Zanak’i Isiraely dia mitondra valin-teny kosa ny Taranak’i Robena sy ny namany, izany hoe afaka nifampiresaka fa tsy avy hatrany dia fitaovam piadiana no nampiresahina. Fianarana ho antsika izany, rehefa misy ny tsy mazavazava na resaka miampitapita dia aleo tsy ireny no henoína fa izay voakasika no atonina mivantana!

2- Manana fahaiza-mihaino (and 29)

« Sanatria aminay raha hiodina amin’i Jehovah ka hiala anio amin’ny fanarahana an’i Jehovah… » hoy ny Taranak’i Robena sy Gada, fa hay ny antony nanorenany alitara dia tsy hanompoana sampy velively na hialana amin’i Jehovah fa ho fahatsiarovana ny famonjeny . Raha manamarika isika, dia tena mahay mihaino i Finehasa sy ny namany satria and 21 29 dia nangina izy ireo fa nanongilan-tsofina ary dia takany fa hay tsy araka ny feo reny ny zava-misy marina. Ampianarina ihany koa isika anio mba tsy ho maika handahatra na hiziriziry be fahatany fa hihaino mba hahatakatra (Jak 1. 19), ary hahay hitatitra marina izay norenesina! Antoka mampirindra ny fiaraha-monina izany!

Fanontaniana:

Ampitahao amin’ny Mat. 18 ity perikopa ity. Inona no azo ambara?

Sampana Sekoly Alahady Foibe FJKM