FILIPIANA 3.1-11
Mamerin-teny amin’ny Filipiana iPaoly eto , satria mahasoa rahateo ny mamerina ny fahamarinana tokony ijoroana . Manamafy amin’izy ireo àry ny apostoly mba :
1-Hitandrina mba tsy ho voafitaka
« Tandremo ny tenanareo amin’ny amboa .Tandremo ny tenanareo amin’ny mpanao ratsy. Tandremo tenanareo amin’ny voakilema ». Taomin’i Paoly ny kristiana eto mba ho mailo ka tsy ho mora hozongozonin’ny sasany amin’ny fampianarana sadasada sy hafahafa izay nahazo vahana tamin’izany vanim-potoana izany. Miantefa amintsika ankehitriny izany, malina isika fa maro loatra ny fampianarana sandoka eto amin’ny firenentsika. Ao ny mitonon-tena ho Mesia mpanjaka, ao ny milaza tena ho Jesoa mihitsy… Aza mivary lavo amin’ireny.
2-Tsy hitoky amin’ny nofo (and5-6)
« ...fa voafora tamin’ny andro fahavalo aho , avy amin’ny firenen’i Benjamina, Hebreo sady avy amin’ny Hebreo aho, araka ny lalàna dia Fariseo ». Aoka tsy alaim-panahy kosa isika hirehareha amin’ny firazanana (Hebreo) na zara andraikitra (Fariseo) na izay mety ho anarana isalorana amin’ny fanompoana fa tsy ireny akory no mahavonjy na zava-dehibe amintsika kristiana. Sao hoe : diakona aho, na mpiandry aho na mpitandrina aho… tsy zavatra azo itokiana na miantoka ny famonjena ireny akory.
3-Fa hihazona ny finoana (and9)
« …ary mba ho hita ao Aminy aho tsy manana ny fahamarinako izay avy amin’ny lalàna , fa izay avy amin’ny finoana an’i Kristy« . Ny finoana an’i Kristy ihany no aoka hotanantsika tsara fa ny finoana no mahavonjy (Mar 16.16), ny finoana irery ihany .Izay mino no afaka mametraka an’i Jesoa ho ivon’ny fiainany sady manana fiainana (Hab 2.4)
Fanontaniana :
Ahoana no hahazoana mihazona hatrany ny finoana ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM