DEOTERONOMIA 13.7-12
Andriamanitra mpanafaka
1-Ekena mihoatra noho ny olona rehetra
« dia aza manaiky azy na mihainob azy ianao , ary aza mba iantran’ny masonao izy na amindranao fo … »(and9)
Ny fifamatorana akaiky eo amin’ny ankohonana sy ny fianakaviana eto dia voatanisa antsipirihany mihitsy mba hahazoana maneho ny fetran’izany fifandraisan’ny tsirairay izany . Ka ny fetran’izany fifandraisana akaiky izany dia ny fitaomana hanompo andriamanin-kafa .Ho anao àry , na iza na iza mitaona anao hiala amin’ny fanompoana an’Andriamanitra , Rain’i Jesoa Kristy Mpanafaka dia aza manaraka azy . Ary ny fitiavana an’i Jesoa Kristy dia fandavana ny sitrapon’ny havana akaiky noho ny fanarahana an’i Jesoa Kristy dia ekeo mihoatra noho ny olona rehetra ny sitrapony .
2-Tompoina amin’ny fiainana manontolo
« Ary ny Israely rehetra handre izany , dia hatahotra ka tsy hanao ratsy toy izany intsony eo aminao » (and 12). Raha misy olona na havana aza , mitaona ny hafa hanompo andriamaninkafa teo amin’ny Zanak’ Israely dia notoraham-bato .Entina eo anatrehan’ny vahoaka izy ka ny havany akaiky no mitora-bato azy voalohany izay vao ny vahoaka.Tanjona amin’izany mba hahatonga ny Israely tsy hisy hznompo sampy mihitsy .Toy izany koa ny kristiana , heloka sy fahotana mahafaty ny fanarahana andriamabinkafa .Ny olona izay efa nafahan’i Jesoa Kristy tamin’ny fanandevozan’ny ota dia maharitra amin’ny fanompoana Azy.Koa aza manaraka ny fitaoman’ny hafa anao hanompo sampy , aza mnompo andriamanin-kafa fa mahareta hatramin’ny farany amin’ny fanompoana an’i Jesoa Kristy dia tsy hiharan’ny fanamelohana avy aminy ianao .
Fanontaniana:
Inona no mbola mahavoatarika anao hanompi sampy ?
Sampan Sekoly Alahady FOIBE FJKM