ISAIA 43.14-21
Andriamanitra mpanafaka
1-Mampandositra ny fahavalo
« …ny Kaldeana ho mpandositra ho any amin’ny sambo izay efa nijaliany » (and14)
. Nandroso ny raharaha ara-barotra nataon’ny Babyloniana tamin’ny alalan’ny fandehanana sambo tamin’ny ony Eofrata sy Golfa Persika iny . Eto anefa dia irahin’Andriamanitra i Kyrosy sy ny Mediana hiady amin’izy ireo . Vokany , dia ireo sambo ireo ihany no handosiran’ny Kaldeana sy ny mpanapaka azy hody indray.Hain’Andriamanitra ny fifalian’ny fahavalony ho tahotra sy fahoriana ho famonjena ny vahoakany .Ilay heverin’ny olona ho fototry ny fahombiazana mihitsy no lasa tsy mahavonjy azy . Asan’Andriamanitra mpanafaka amin’ny alalan’i Jesoa Kristy izany . Raha Jesoa Kristy tokoa no manafaka dia handositra ny fahavalo .
2-Derain’ny voahary rehetra
« Izao olona noforoniko ho Ahy izao no hanambara ny fiderana Ahy » (and21)
Fiderana ataon’ny vahoaka voafidin’Andriamanitra noho ny fanafahana sy ny fanarenana indray ny tanànan’i Jerosalema .Hira fiderana mampahatsiahy ny fivoahana avy tany amin’ny tany Egypta sy ny fiampitana ny ranomasina mena .Andriamanitra mpanafaka dia deraina sy ankalazain’ny vahiaka voafidiny .Ary tsy ny vahoaka ihany no manao izany fa ny bibidia ihany koa aza. Fiderana ataon’ny olom-boavony amin’Andriamanitra .Amin’ny fotoana zay hahatsapan’ny olona ny fanafahan’Andriamanitra azy dia hidera an’Andriamanitra izany olona izany . Derao Andriamanitra tamin’ny fanafahana lehibe izay nataony tamintsika tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy .
Fanontaniana:
Inona no fanaonao rehefa afaka tamin’ny tànan’ny fahavalo ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM