ISAIA 29.13-24

Andriamanitra manitsy ny fomba fanompoana Azy

1-Manafoana ny fisainan’olombelona

« …ka ho foana ny fahendrena kendreny ary tsy ho hita ny fahalalan’ny mazava sainany » (and14) .Nambaran’ny mpaminany ny haharava izay rehetra manaraka ny fomba fisainan’ny olona mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra .Nieritreritra ny manam-pahefana tamin’izany fa mbola ambany noho ny fahalalana ara-tsiansa ny fahalalan’Andriamanitra .Mirehareha tamin’ny fahalalana ananany ny olona tamin’izany . Manoloana izany dia haetrin’Andriamanitra ny mahery, ny manam-pahalalana hopotehina .Andriamanitra manafoana ny fisainan’olombelona mpirehareha sy ny manandratena mifanohitra amin’ny sitrapony .Koa mianara ny fampianaran’i Jesoa Kristy fa izay mahay manetry tena no hasandratra .

2-Manambara ny fahefany

« Moa ny mpanefy tanimanga va no heverina ho tahaka ny tanimanga... » (and16).Fomba fiteny mahazatra ny danekena taloha ny filazana momba ny mpanefy tanimanga(Isa 45.9/64.7) entina hanehoana ny fahefan’Andriamanitra .Raha manitsy ny fomba fanompoana Azy Andriamanitra .Raha manitsy ny fomba fanompoana Azy Andriamanitra dia mampahatsiahy fa Izy no tompon’ny fahefana amin’olombelona.Tsarovy fa an’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy ny fahefana ka mila manaiky izany ny olona rehetra , indrindra ny olom-boafidin’Andriamanitra .Koa ataovy mendrika izany ny fanompoanao Azy.

Fanontaniana:

Inona amin’ny fiananao no tsy mbola hanekenao ny fahefan’Andriamanitra ? Nahoana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM