DEOTERONOMIA 10.12-22
Andriamanitra Tompon’ny Tompo
1-Tia ny olona rehetra
« Manome rariny ny kamboty sy ny mpitondrantena Izy , sady tia ny vahiny ka manome azy hanina sy fitafiana » (and18) . Nanambara ny tenany Andriamanitra nandritry ny fananarany ny Zanak’Israely mba hatahotra Azy . Tsy mizaha tavan’olona na mandray kolikoly fa tia ny olona rehetra ary sarotiny amin’ny fanajana ny marina sy ny rariny Izy . Manoloana izany àry , tsarovy fa Andriamanitra no Tompon’ny Tompo , tia ny olona rehetra .Koa hajao ny rariny , ka aza manao tsinontsinona ny malemy , manaova ny marina amin’ny olona rehetra fa tian’Andriamanitra ny olona rehetra , indrindra ny mahantra sy ny mptondra tena .Mianara ny nataon’i Jesoa Kristy izay tia ny olona rehetra hovonjena, indrindra ireo nailikiliky ny fiaraha-monina .
2-Mandà ny fanompoantsampy
« Jehovah Andriamanitrao no hatahorana …ary Izay no hifikirana, ary ny anarany no hianiananao » (and 20).Mampahatsiahy ny fahalehibiazana amin’ny Zanak’Israely indray Andriamanitra .Tsy misy andriamanitra tahaka Azy .Ary Izy irery ihany no tokony hatahorana sy hotompoina .Amin’ny fotoana izay aneken’ny olona fa tsy misy andriamanitra lehibe noho Jehovah dia tsy hisalasala izany olona izany hisafidy ny Anaran’Andriamanitra Tsitoha .Ary toy izany ihany koa , rehefa mahatsapa ny miaina miaraka amin’Andriamanitra izy dia hiala amin’ny fanompoantsampy . Aza afangaro amin’ny fanompoana andriamani-kafa ny fanompoana an’i Jehovah , fa manompoa Azy amin-tahotra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy dia hovonjena hianao.
Fanontaniana :
Inona no antony mbola mahatonga anao mbola manompo sampy sady manompo an’Andriamanitra tokana ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM