MATIO 10.1-10
Ny mpianatry ny Tompo
1-Olom-boantso
Niantso ny mpianany i Jesoa (and1) . Nantsoin’ny Tompo amin’ny anarany tsirairay avy ireo mpianatra 12 lahy .Fantany tsara ireo ary nofidiany tao anatin’ny maro .Tsy ilay andraikitra nahafantarana azy taloha intsony no hahafantarana azy ireo. Ho anao koa : kristiana ianao ankehitriny , olom-boantson’ny Tompo ,olom-boafidy manokana , malala eo imason’ny Tompo, be voninahitra sady tiany .
2-Nomena fahefana manokana
Nanome fahefana azy ireo Jesoa (and1b) .Fahefana hamoaka fanahy maloto , hahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ny rofy rehetra .Tsy hamaha olana ara-panahy ihany ny fahefana nomena azy ireo fa mahakasika ny olona manontolo dia saina , vatana ihany koa .
3-Nomena iraka manokana
Nirahin’i Jesoa ka nodidiany ho any amin’ny ondry very any amin’ny taranak’Israely .Misy firotsahana mivantana ami’ny iraky ny Tompo .Misy toerana aleha ary misy ondrin’ny Tompo izay mila famonjena .Tsara ny mihaino sy mandray fampianarana fa efa fotoana firotsahana an-tsehatra amin’ny iraky ny Tompo izao .
4-Mahita fahombiazana
« ny mpiasa dia mendrika hahazo ny haniny » (and10b).Tsy ny fiahiana ny ara-nofo no hibahan-toerana mialoha amin’ny mpanompon’ny Tompo .Rehefa atao lohalaharana ny Tompo dia Izy no miahy sy mikarakara ny mpanompony .
Fanontaniana:
Hazavao fa mananjara tokoa ny mpanompon’ny Tompo .
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM