Ezekiela 2:1 – 3:3

Tanteraho ny asan’Andriamanitra.

1.Satria izy no maniraka

Natanjaka ny antson Andriamanitra niantefa tamin’i Ezekiela: « Ry zanak’olona, mitsangana fa hiteny aho » (and 1). Niantso azy Jehovah ary tonga taminy ny Fanahiny. Izy Tompo no naniraka an’i Ezekiela (and 3) mba hanambara ny hafany amin’ny zanak’israely, ka hanao aminy hoe: « Izao no nolazain’i Jehovah Tompo ». Manambara ny tenany ny Tompo amin’ny maha ambony indrindra azy. Fomban’i Jesoa koa ny miantso mpiara-miasa ka maniraka azy hanambara ny hafany, fa hoy izy: « Mandehana ianareo, ka mitoria ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra » (Marka 16.15). Isika no irak Andriamanitra hanambara ny vaovao mahafaly amin’izao fotoana ankehitriny izao.

2 Satria izy no mampahery

Raha maniraka an’i Ezekiela Jehovah dia nampahafantatra azy ny toetran’ny zanak Israely (jentilisa, mpiodina, zanaka mafy handrina, madi-po) ireo no namaritan’i Jehovah azy ireo. Noho izany, nampahery azy in-telo Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Teniny hoe: « Aza matahotra« . Ilain’i Ezekiela tokoa izany satria masiaka ny tontolo hanirahina azy, ary hiatrika fanoherana mivaivay izy. Tsy mora ny manantanteraka asa ao anatin’ny fanenjehana, hiaina ao anaty toe-javatra sarotra, hiady irery eo anantrehan’ny zava-manahirana. Ilaina tokoa ny fampaherezana satria Jesoa dia efa nampiomana hoe: « Ho halan’ny olona rehetra hianareo no ny anarako, fa izay maharitra hatramin’ny farany no ho vonjena ». (Mar 13.13). Ataon’ny Tompo ny fampaherezana mba haharetantsika amin’ny asany. Mahareta havako!

Fanontaniana: Manao ahoana ny fahatsapanao ny hasarobidin’ny asa nifidianan ‘ny Tompo aminao?

Sekoly Alahady Foibe – FJKM