LIOKA 10.1-7

Ny iraka nampanaovina ny fitopolo lahy01

I Lioka irery no mitatitra ity iraka nampanaovina ny 70 lahy ity ankoatra ny nanirahana ny 12 lahy (Lio 9.1-6) .Haseho eto àry fa naniraka vondrona hafa i Jesoa ankoatra ny 12 lahy mba hitory ny Filazantsara amin’ny olona hafa koa. Ny tena tiany ambara amin’izany dia izao : be ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy .Izany hoe: efa naniraka ireo mpianany tokoa Izy , kanefa tsy ho vitan’izy ireo irery akory ny fitoriana ny Filazantsara izay tsy maintsy haparitaka sy hitaomana ny olona rehetra mihitsy .Ankoatra izany , iLioka dia mitodika manokana ary miresaka manokana amin’ny olona hafa .Tsy Jiosy ihany fa ny hafa firenena koa izay isan’ny afaka hisitraka ny famonjena vitan’i Jesoa Kristy raha manana finoana Azy . I Lioka no nampisongadina fa tsy ho an’ny Jiosy ihany , ary tsy ho an’ny Jiosy irery no tokony ho voakasika amin’ny famonjen’i Jesoa Kristy , ka izany no antony nanirahana ireto 70 lahy ankoatra ny 12 lahy teo aloha .

kanefa tokony hino sy hatoky mandrakariva ny tompo izay hanome vaha-olana ho
an’ny irany amin’ny toe-javatra rehetra.

Fanontaniana:

Moa mahatsiaro ho iraky ny Tompo amin’ny asa fitoriana ny Filazantsara ve ianao?

Sampana Sekoly  Alalahdy FOIBE FJKM