2 KORINTIANA 9.6-15

Ny fanatanterahana ny asa tsara

1-Atao amin’ny alalan’ny fahafoizana

Nanao antso ho an’ny kristiana i Paoly mba halala-tànana ka hahafoy ho an’ny malahelo tany Jodia .Hoy i Paoly : « Ry rahalahy ... » (2 Kor 8.1) .Mpirahalahy ao amin’ny Tompo izy rehetra. Nanentana azy ireo izy hazoto hanao asa fiantrana amin’ny fifaliana , fitiavana, fahafoizana amin-kitsimpo fa tsy amin’ny alahelo na an-katerena . Anjaran’ny tsirairay ny manome araka ny fanapahan-keviny ihany . « Ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra » (Oha 22.8).Rehefa mahafoy sy manome amin’ny fifaliana ianao , dia Andriamanitra no manome mitafotafo ny soa ho anao .Izy no hampitoetra ny fahombiazana ho an’izay mahafoy.Jesoa no fianarana ho antsika na dia nanankarena aza izy dia nisafidy ny ho tonga mahantra ,nahafoy ny fanjakany mba hampanankarena antsika .

2-Mahatonga ny fisaorana an’Andriamanitra

Misy voka-tsoa tokoa ny fanatanterahana ny asa tsara , fa ny fanaovana izany dia sady mahafaka ny alahelon’ny olona masina no mahabe ny fahasoavan’Andriamanitra (and12) . Na dia mbola an-dàlam-panaovana izany aza ny Korintiana dia ataon’i Paoly ho tanteraka .Ho hita sy tsapan’ny kristiana any Jodiany fampiharana ny Filazantsara amin’ny fahalalan-tànana.Rehefa vonton’ny Filazantsara tokoa ny olona dia mampihatra izany eo amin’ny fiainany .Ny asa fiantrana dia mitarika ho amin’ny fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra.Tsy hifaly tamin’Andriamanitra ihany anefa ny kristiana tany Jodia fa hanandratra vavaka koa .Ho tanteraka tokoa ny fiombonana am-pirahalahiana .Fianarana lehibe izany , fa rehefa mandray avy amin’ny hafa dia tokony hisaotra an’Andriamanitra .

Fanontaniana :

Mahafoy ho an’ny hafa ve ianao mba hahatanteraka ny Filazantsara efa noraisinao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM