ASAN’NY APOSTOLY 3.9-16

Ny fiasan’Andriamanitra amin’ny mpanompony

1-Mampitodika ny olona ho ao aminy

Nisy lehilahy iray malemy , mpangataka teo an-kianjan’ny tempoly . Rehefa nadalo i Petera sy Jaona dia nanantena fanampiana izy , fa nanasitrana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy avy any Nazareta na nataony taminy . Izao asa nataon’i Petera sy Jaona izao dia hitodihan’ny olona ho ao amin’Andriamanitra , ka tsy ilay marary ihany fa izay nanatrika ihany koa . Maneho izany fa ilay Andriamanitra efa nitahy hatrizay dia tsy miova fa izy ihany no nanaraka an’i Jesoa ho amin’izao tontolo izao ,ka nasandrany ho amin’ny voninahitra , satria ny Anaran’i Jesoa Kristy dia efa voalazan’isaia 53.12 ,fa Izy no hahatanteraka ny asam-pamonjena . Naneho ny tenany ho fitaovana fotsiny ihany i Petera , fa ny tena manasitrana dia iJesoa .Ianao koa no ataon’Andriamanitra hampitodika ny olona ho ao Aminy .

2-Maneho no maha-zava-dehibe ny finoana

Nampahatsiavin’i Petera ny zavatra izay nanjo an’i Jesoa Kristy fony izy teto an-tany .Notanisain’i Petera izay ratsy nataon’ireto vahoaka ireto tamin’i Jesoa . Asehon’iPetera eto fa finoana an’i Jesoa ilay nitsangana tamin’ny maty no nahazoan’ity lehilahy ity fanasitranana .Mampahatsiaro ny tenin’I Jesoa tamin’ilay vehivavy mpanota tao an-tranon’i Simona fariseo hoe :  » ny finoanao efa namonjy anao » (Lio 7.50) . Ny finoana dia mahasitrana , misy lanjany lehibe amin’ny Jiosy izany .

Fanontaniana:

Mazoto mikely aina ao amin’Andriamanitra ve ianao mba hisitrahan’ny hafa famonjena ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM