2 TIMOTY 3.10-17

Ny olona mihazona ny fampianarana nomena azy

1-Miaritra fanenjehana

« eny izay rehetra te-hivelona amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesoa dia enjehina » (and12)

Manafitohina ny mpino kristiana ankehitriny izany teny izany ,indrindra ireo mihevitra fa rehefa kristiana dia milamina tsy misy olana ny fiainana. Kolotsaina manalavitra ny fanekena ny fanenjehana no ananan’ny kristiana ankehitriny , kanefa rehefa tsy misy ny fanenjehana dia tsy misy ny hery sy ny finoana enti-manompo .Tao amin’ny fiaretana fanenjehana no niainan’i Jesoa Kristy ny fankatoavana an’Andriamanitra . Ampiasain’Andriamanitra ho fampitomboana ny finoan’ny zanany ny fanenjehana sady ho fiombonana fahoriana amin’i Jesoa Kristy ihany koa. Raha misy fanenjehana anao satria mpino ianao dia mahereza.

2-Mizotra mankany amin’ny fahatanterahana

« mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra ho vonona tsara amin’ny asa tsara rehetra  » (and17)

Ny mpamaritoetra hoe: « tanteraka » eto dia entina milaza ny olona manana ny fitaovana rehetra ary mifanaraka amin’izay ilaina .Izany fitaovana izany dia tsy inona akory fa ny Soratra Masina (and16). Rehefa manana ny Tenin’Andriamanitra entina manatanteraka ny asa fanompoana ny olona dia mitombo hatrany ny fahavononany hanao ny asa fanompoana .Ho anao koa , fenoy Soratra Masina ny tenanao mba hahafahanao manana vatsy hampitaina amin’ny hafa. Mialohan’ny hampitana izany amin’ny hafa anefa dia tsy maintsy ilay olon’Andriamanitra aloha no manatanteraka izay voalazan’ny Soratra Masina .

Fanontaniana:

Inona no antony tsy hahavitanao tsara ny asan’ny Tompo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM