LIOKA 5.1-11
Ny fandrenesana ny Tenin’i Jesoa Kristy
1-Mitondra fahombiazana
« Ary rehefa nataony izany dia nahazo hazandrano be dia be izy ka efa nisy triatra ny haratony » (and6)
Rehefa tapitra ny fampianarana ny Tenin’Andriamanitra nataon’i Jesoa Kristy dia nanome baiko an’i Simona Izy mba handatsaka ny haratony amin’ny lalina kokoa , kanefa amin’ny alina ary ao amin’ny marivo ihany no hahazoana trondro.Eto anefa , noho ny fankatoavan’i Simona ny Tenin’i Jesoa Kristy dia nahazo trondro maro izy ireo .Rehefa mandre sy mankato ny tenin’i Jesoa Kristy ny olona dia hahita fahombiazana eo amin’ny asany na dia tsy mifanaraka amin’ny traikefa sy ny zava-misy aza izany .Ankatoavy ny tenin’i Jesoa Krity dia hahita fahombiazana ianao.
2-Mampahatsiaro ny maha-mpanota
« Ary rehefa hitan’i Simona Petera izany , dia niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesao izy ka nanao hoe: Tompoko, mialà amiko fa olo-meloka aho « (and8).
Rehefa avy nandatsaka ny haratony tamin’ny lalina , nankato ny Tenin’i Jesoa i Simona , dia nahazo trondro , nahafeno sambokely roa .Nony nahita izany izy dia niankohoka , nanetry tena teo anatrehan’i Jesoa Kristy ka nahatsiaro ny fahotany . Nihoatra ny traikefa nananan’i Simona sy ny namany ny herin’ny tenin’i Jesoa Kristy .Amin’ny fotoana izay hahafantaran’ny olona fa mihoatra lavitra noho ny traikefa ananany ny herin’i Jesoa Kristy dia hanetry tena eo amin’i Jesoa Kristy izy.Amin’ny fotoana izay hahitan’ny olona ny asan’ny herin’i Jesoa Kristy amin’ny fiainany dia hahatsiaro ny maha-mpanota azy .
Fanontaniana:
Hatraiza ny fankatoavanao ny tenin’i Jesoa Kristy ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM