1 TIMOTY 6.1-16

Ny zara fanompoana an’Andriamanitra dia :

1-Tsy natao hitadiavana tombotsoa manokana

« Fa ianao kosa ry lehilahin’Andriamanitra , mandosira izany zavatra izany … »(and11) , hoy i Paoly tamin’i Timoty .Tsy nantsoina hoe : zanaka izy eto fa natao hoe: « lehilahin’Andriamanitra « . Notsipihany tsara fa manana anjara fanompoana manokana mihoatra noho ny olona hafa i Timoty ka tokony hitandrina tsy ho latsaka amin’ny filàn-karena sy ny fitiavam-bola ary « mandosira «  mihitsy ny matoanteny ampiasaina eto , entina ilazana hoe : alaviro mihitsy .Tsy natao ho fangoronan-karena akory ny fitoriana ny Filazantsara na ny andraikitra manokana eo anivon’ny fiangonana fa natao hampitana madiodio ny Tenin’Andriamanitra ho famonjena ny olona rehetra. Tsy zava-baovao akory izany , fa efa nataon’i Jesoa ka tsy nilàny tombony sy tambiny akory , fa ny ainy indray aza no natolony .

2-Natao hitoriana an’i Kristy manana ny tsy fahafatesana

Ny tena zava-dehibe sy tokony hasongadina indrindra amin’ny asantsika izay nomena anjara fanompoana manokana dia ny hampitana amin’izao tontolo izao fa i Kristy ary Izy irery ihany no hany nandresy ny fahafatesana sy manana ny tsy fahafatesana , dia ny fiainana mandrakizay ka afaka manolotra izany ho an’izay rehetra mino Azy .Tsy toky efa nomena rahateo ve ny hoe : « ary izay velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay  » (Jao 11.26). Noho izany , torio madio sy mazava ny Tenin’Andriamanitra , izay tsy inona fa i Kristy maty sy nitsangana tamin’ny maty ary velona mandrakizay . Izany rahateo no fototry ny finoantsika .

Fanontaniana :

Inona no tokony ho tanjona kendrena raha nomen’ny Tompo zara fanompoana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM