Josoa 2. 1-16

Ity tantara voalahatra ho antsika anio ity dia mampianatra artsika fa :

1- Hain’Andriamanitra ampiasaina ny jentilisa

«Dia niainga izy roalahy ary niditra tao an-tranon’ny vehivavy janga anankiray atao hoe Rahaba, ka nandry tao » (and. 1b). Voalaza eto fa ireo mpisafo tany roalahy nirahin’i Josoa dia niantrano tao amin-dRahaba janga ary io fiantranoany tao io no nanavotra azy ireo tsy ho fatin’ny mpanjakan’i Jeriko sy ny mponina tao. Tsy kisendra akory io fihaonan’izy ireo tamin-dRahaba io fa maneho miharihary ny fahaizan’Andriamanitra mampiasa ny jentilisa hamonjena ny olony, ary tsy vao eto no miseho izany fa ny Egyptiana izao ohatra dia nasaina nampitondra zavatra ny Zanak’i Isiraely rehefa niala tao izy ireo. Ary ity Rahaba ity (ny dikan’ny hoe Rahaba dia hoe malalaka na midadasika) dia loharano nipoiran’i Jesoa Kristy izay namonjy izao tontolo izao. Mianara ary matoky ny fitondrana sy ny fandaminan’ Andriamanitra !

2- Hain’Andriamanitra vonjena ny jentilisa mino

Rehefa nahavonjy ny mpisafo tany roalahy i Rahaba dia nitsotra tamin’izy ireo fa matahotra ny Zanak’i Isiraely ny mponina tao Jeriko satria efa nandre ny fandresena nomen’Andriamanitra azy ireo (ny fiampitana ny ranomasina mena, ny namonoana ny mpanjakan ny Amorita…) ary ny mahavariana dia nanjary nino an ‘i Jehovah i Rahaba ary tafateny mihitsy hoe: « Jehovah Andriamanitrareo. Izy no Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony sy ety amin’ny tany ambany » (and 11b). Vokatr’izao fihaonana izao dia voatsimbina manokana i Rahaba sy ny ankohonan’ny rainy. izany hoe: izy sy ny fianakaviany manontolo. lanao koa, minoa an’ Andriamanitra fa hovonjena tokoa!

Fanontaniana :

Ahoana ny fahitanao ny fomba fandaminan’Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM