Romana 1:1-12
Rehefa mijery ny fomba fanoratr’i Paoly sy no fomba filazany eto amin’ ity fitarihan-teny ataony ato amin’ny epistily ho an’ny Romana isika dia mahatakatra fa tena zava-dehibe:
1- Ny fahaiza-mampahery (and. 8)
« Misaotra an Andriamanitro…aho noho ny aminareo rehetra satria efa re eran’ izao tontolo izao ny finoanareo ». Aty am-piandohana ny apostoly dia maneho fa mankasitraka ny Romana noho ny amin’ny fiorenan’izy ireo amin’ny finoana. Tsy hoe niorina tsara fotsiny ihany fa nanjary re eran’izao tontolo izao mihitsy izany finoana izany. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia tonga faka-tahaka sy irin’ny hafa ny finoan’ ny Kristiana tao Roma.
Ny zava-dehibe eto dia ny fahaizan’ny Apostoly maneho fa nahavita dingana lehibe ny mpino ka mendrika amporisihana handroso bebe kokoa hatrany, ary tena fandrisika tsara dia tsara ny filazany hoe « Misaotra an’ Andriamanitro…noho ny aminareo ». Taomina ihany koa isika, indrindra ny tomponandraikitra, mba hahay hankasitraka sy handrisika izay miorina tsara sady mahavita be fa hery lehibe ho an’izy ireny izany!
2- Ny fanehoam-pitiavana (and 11)
« Fa maniry hahita anareo aho hanomezako fahasoavam-panahy ho anareo, mba hampaherezina ianareo ». Tsy ny fandrisika ihany no nataon’i Paoly fa abaribariny eto koa ny fitiavany ny Fiangonana sy ny Kristiana tao Roma ka mahatonga azy hilaza mihitsy hoe: « maniry » hihaona amin’izy ireo izy sady mbola mikasa ny hizara fahasoavam-panahy ihany koa. Fanehoam-pitiavana lehibe izany! Ary hita amin’izao tokoa fa nianatra tamin’i Jesoa i Paoly! Ianao koa. mahaiza re maneho fitiavana e!
Fanontaniana:
Manao ahoana ny fahazotoantsika Kristiana mifampahery sy mifamangy?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM