GENESISY 1.1-5

1-Manome endrika sy hatsarana ny tsy misy endrika sy dikany ny Tompo (and1,2)

Tantaran’ny namoronan’Andriamanitra ny lanitra sy ny tany ireto andininy roa ireto.Voalaza eto fa ny tany dia foana sy tsy nisy endrika , kanefa jereo àry amin’izao ny hatsaran’ny lanitra sy ny tany .Izany no herin’ny Tenin’Andriamanitra miasa eo amin’ny zava-boahary .Toy izany koa io fiainanao izay heverinao sy hitanao fa tsy misy endrika sy dikany io . Ny Tenin’Andriamanitra : no hanome endrika sy dikany azy indray .Ratsy be ny fiainanao , hoy angamba ianao . Tsy misy dikany ihany koa fa raiso ny Tenin’Andriamanitra , iaino sy ivelomy dia ho hitanao ny fivoarany fa ho vaky vava ianao fa marina ny Tenin’Andriamanitra . Jesoa Kristy , Ilay Tenin’Andriamanitra , tonga nofo. Avelao ho mpanjakan’ ny fonao Izy dia ho hitanao fa « Izy no nisiam-pianana » (Jao 1.4a)

2-Manome fahalavorariana eo amin’ny fiainana ny Tompo na ny miabo na ny miiba (and4)

Noforonin’Andriamanitra ny mazava mba hanome hatsarana sy fahalavorariana ho an’ny olona .Iza tokoa no tsy ho faly rehefa tonga ny mazava ? .Tsara ny mazava . Aza adinoina fa i Jesoa Kristy no fahazavan’izao tontolo izao , nefa aza adinoina koa fa ny aizina dia nosarahina tamin’ny mazava , dia nisy ny hariva , nisy ny maraina (and5) .Indraindray mba mandalo aizina ihany , ary ao no anantenana ilay maraina hitondra fahazavana .. Izay ilay fiainana, ka aza kivy fa ilaina ihany ireny zavatra miiba ireny mba hanakaikezana Azy.

Fanontaniana :

Ny fiainanao ve amin’izao fotoana izao efa ao anatin’ny mazava sa mbola maizina?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM