NOMERY 11.16-25

Manatanteraka ny Teniny ny Tompo

1-Ka mahay mampisy ny tsy misy (and21d-23)

Dia any anefitra ho any amin’ny tany Kanana ny zava-misy ity . Inona no zavatra mety ho hita any amin’ny tany efitra ankoatra ny tany maina ? Karaobato sy fasika .Tsy misy rano any , tsy misy ahi-maitso,tsy misy tanàna ahitana mpivarokena. Ary ny tena nahatezitra an’Andriamanitra dia ny fahalahelovan’izy ireo an’i Egypta ilay firenena nanandevo azy ireo .Teto dia nampanantenan’Andriamanitra izy ireo fa hihinankena mandritra ny iray volana maninjitra ary ho tofoka hena amin’ny farany . Na dia tany efitra tsy misy na inona na inona aza dia misy amin’Andriamanitra .Fahefana amin’ny tany rehetra no fahefany : »Moa misy zava-mahagaga izay tsy hain’i Jehovah va?« (Gen 18.14)

2-Ka manome ny Fanahiny amin’izay olona nofidiany (and15)

Nifidy loholona tamin’ny 70 lahy avy amin’ny zanak’Israely i Mosesy no fahatanterahan ny baikon’i Jehovah .Izy ireo dia olona efa lehibe, nomen’Andriamanitra ny ampahany avy amin’ny fanahin’i Mosesy ireo olona ireo mba hiara-mitondra aminy . Anisan’izay hevitra hitan’i Jehovah mba hampahomby kokoa ny fitondran’i Mosesy ny firenena izao , ary ny Fanahy tao amin’i Mosesy izay nahombiazany hatrizay no ho ao amin’ireo 70 lahy ireo mba hampahomby ny asa ataon’izy ireo ihany koa. Ho antsika olom-boafidy rehetra : nomena ny Fanahy Masina isika , koa aza misaraka aminy dia hahomby .

Fanontaniana :

Mino ve ianao fa afaka hanao zavatra izy tsy misy rehetra ny Tompo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM