Asan’ny Apostoly 4. 27-31
Ny fahefan’ny Tompo
1- Afaka manohitra ny baikon’ny manam-pahefana amin’ny tany amin’ny fotoana sasany (and 27-28)
Heroda dia manam-pahefana jiosy sy Pontio Pilato dia manam-pahefana romana izay nifehy ny Palestina tamin’izany. Ireo no niaraka tamin’ny vahoaka romana sasany ary ireo lohandohany ara-pivavahana jiosy no niara-niasa nanao izay hahafaty an’i Jesoa. Nitsangana tamin’ny maty anefa i Jesoa. Izany vaovao Mahafaly lehibe izany no notorian’ny apostoly ka nahazoan’izy ireo fandrahonana mihatra aman’aina. Nangataka fahasahiana ny Apostoly eto satria matoky ny fahefan’i Jesoa. Ry havana, aoka ho tsaroantsika fa Jesoa dia nampianatra antsika mba hanaiky ny manam-pahefana amin’ny tany saingy tsy afaka manapatra ny fahefany kosa izy ireo rehefa manohintohina ny programan Andrimanitra dia ny hamonjy ny olona rehetra amin’ny alalan’ny fitoriana ny Filazantsara.
2- Miasa amin’ny alalan’ny Fanahy Masina dia miasa amin’ny fon’ny ho mehery fo (and 31)
Ary rehefa nivavaka ny mpianatra dia feno ny Fanahy ka sahy nitory ny Tenin’ Andrimanitra tamin’ny fahasahiana. Mety hahagaga ireo mana-pahefana rehetra izay nandrara azy ireo izao fihetsika izao, ary vao mainka aza mbola hanamafy ny hatezerany.voafetra ny fahefan’ny tany fa tsy mitovy amin’ilay an Jesoa izay sady cto an-tany no any an-danitra no mbola maharitra mandrakizay koa. Ry havana mangataha ho fenoina ny Fanahy Masina ka hahavita be amin’ny asan’ny Tompo ary hahavita tsara amin-kery sy fahasahiana
Fanontaniana
Ahoana ny fahasahianao raha teo amin’ny toeran ‘ireto apostoly ireto?