Isaia 45 : 9 – 13

Ny Fahefan’Andriamanitra

1- Dia mahakasika ny zava-boariny (and 9,11,12)

Asehon’Andriamanitra eto ny fahatsinontsinon’ny olombelona izay mitovy amin’ny tavim-bilany mora vaky, nefa dia omeny fiainana. Asehony ihany koa fa izy no nanorina ny tany ka na dia mbola any am-pahababoana aza ireo mponin’i Joda ireo dia mbola ny asan’ny tanan’Andriamanitra ihany no itoerany. Midika izany fa hitan’Andriamanitra ny fahorian izy ireo

2- No mampahomby ny fitondran’ny mpitondra eto amin’izao tontolo izao (and 13a)

Any am-pahababoana ny Jiosy no mandray izao faminaniana mitondra fanantenana entin’i Isaia izao. Voalaza eto fa Jehovah mihintsy no manaitra an’i Kirosy mba hiady amin’ny i Babylona tamin’ny fahamarinana ary fahefana avy Aminy no hampahomby ny fitondram-panjakany sy ny adiny amin’io firenena lehibe namabo ny Jiosy io. Endrey izany herin’ny fahefan Andriamanitra! Mahatratra ny fitondrana ara-politika cto amin’izao tontolo izao mihitsy! Avy aminy ny fahefana!

3- Dia mihevitra indrindra izay hatao amin’ny vahoakany (and 13b, d)

Fitompolo taona no faharetan’ny fahababoana fa rehefa vita kosa izay, dia arenina ny rava ary Kyrosy no ilay voafidin Andriamanitra lunao izany. Tandindon’i Jesoa Kristy ilay Mpanjakan’ny mpanjaka hanangana ny olony izay voabahon ny fahotana io ka hampiarina azy ireo indray

Fanontaniana:

Fahefana manao alioana no fahefana noeritreretinao hatrizay

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM