GENESISY 18.1-15
Ny herin’ny fahefan’Andriamanitra 01
1-Miasa ao anatin’ny olona hahatonga azy hanao hetsika tsara (and2-5)

Raha vao nahita ireto irak’Andriamanitra ireto Abrahama dia indro fa tery am-panahy mba hikarakara azy ireo amin’ny alalan’ny fandraisam-bahiny izay mariky ny fanajana .Tsy nandà izy ireo . Midika izany fa nankasitrahan’izy ireo ny fihetsika nataon’i Abrahama .Rehefa manana izany toetra izany ny olona dia hita fa manana ny Fanahy Masina izay mampahendry ny olona toa an’i Abrahama .Hay izany , manana fahefana hiasa ao anatin’ny fon’ny olona ihany koa Andriamanitra , izay zavatra tsy hain’olombelona mihitsy .Hoy ny Soratra Masina : »Izay zavatra tsy hain’ny olona dia hain’Andriamanitra » (Mat 18.27).Izany no manambara ny fahefan’Andriamanitra izay tsy hita saintsainina .
2- Manao zava-mahagaga izay tsy hain’olombelona velively (and14)

Tanteraka tokoa ny teny fampanantenana tato aoriana .Teraka zazalahy i Saraha .Zava-mahagaga izany ary efa saika tsy nino intsony i Saraha .Tsy hain’olombelona izany .Tandremo! Tsy misy zavatra eto an-tany na any na any an-danitra ka tsy hain’Andriamanitra , satria Izy no nahary izany . Ambaran’io Soratra Masina io rahateo fa tsy hisy na oviana na oviana izany zavatra izay tsy hainy izany .Tsara loatra izany teny izany , satria mampanantena zavatra maro eo amin’ny fiainana ka mahavelom-bolo aoka izany .Tsy misy tsy hainy atao .Izany no herin’ny fahefany .
Fanontaniana:
Efa nisy fotoana ve isika niahiahy ny herin’ny dahefan’Andriamanitra teo amin’ny fiainantsika?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM