2 Tesaloniana 2, 1-12
Ilay Fanahy Masina mampandresy
« Fa miasa sahady ny zava-miafina, dia ny tsy fankatoavan-dalàna, kanefa mandra-panaisotra ilay misakana ankehitriny ihany» (and 7)
1- Mampiorina tsara ny mpino

Tsy maintsy ho avy ny andro hihavian’ny Tompo. Mialoha izany dia hiseho ny mpampianatra sandoka, ilay mpamitaka ny olona, mitarika ho amin’ny fihemorana amin’ny finoana, mampangatsiaka ny fifandraisan’ny olona amin’Andriamanitra. Na dia eo aza anefa izany asan’ilay lehilahin’ota izany dia mila matoky sy miorina tsara isika satria efa nomena ny Fiangonana ny Fanahy Masina. Io Fanahy Masina io no «ilay misakana « (and 7) ny asan’ilay ratsy tsy hanimba ny tena finoana. tsy handrava ny famonjena efa noraisin’ny mpino. Meteza hotarihin ‘ny Fanahy Masina mandrakariva dia hiorina tsara sy handresy ny faminganan’ ilay ratsy ianao.
2- Manolotra ny fandresena miavaka

Miezaka mandevona ny finoana ao anatin’ny mpino ilay ratsy, ilay lehilahin’ota. Na manao ahoana na manao ahoana anefa ny herin’ilay ratsy dia tsy mahatohitra ny Hery sy ny fahalehibiazan’i Jesoa Kristy izany. I Jesoa Kristy no handevona azy amin’ny fofonain’ny vavany (and. ). Io fofonain’ny vavan’i Jesoa Kristy io dia ny Fanahy Masina nomena ny mpino. Nomena ny Fanahy Masina ny mpino mba tsy hiady irery manoloana ny fampianaran-diso. Izay manaiky hotarihin’ny Fanahy Masina dia ho mpandresy amin’ny andro hihaviany indray.
Fanontaniana:
Inona no tokony hatao hanoherana ny fampianaran-diso?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM