Eksodosy 35: 30-35
Ny Fanahy Masina ao amin’ny olom-boafidy
Mba hisian’ny fahombiazana eo amin’ny asa fanompoana dia nomen Andriamanitra ny Fanahy ny olom-boafidy.
1- Manana fahendrena
Toetra tsara mampiavaka ny olom-boafidin Andriamanitra ny fahendrena. Ny fahendrena dia ny fahatahorana ilay Andriamanitra nifidy. lo tahotra io dia manery asa hanao asa tsara sy mendrika ho an’ilay Andriamanitra nifidy. Rehefa ao anatin’ny olona ny Fanahin’ Andriamanitra dia miezaka manao asa tsara, anao asa mendrika izy, hoy ny and.32 «ny hamoron tsaina hanao asa kanto»
2- Manana fahaizana
Hoy ny and.31 « nofenoina ny Fanahin’Andriamanitra… fahiratan-tsaina ..» Ny Fanahy Masina dia mpampianatra, mpanolontsaina, rehefa manaiky ny asan’ny Fanahy Masina noho izany ilay olom-boafidy dia manana fahaizana, manana fahiratan-tsaina, afaka mamorona, afaka miketrika asa miavaka ho fanomezana voninahitra ilay Andriamanitra nifidy azy.
3- Manana fahaiza-mampianatra
Tsy miasa irery ilay olom-boafidy, misy ireo mpiara-miasa aminy, Mba ahafahany mampita ny fahalalana, ny toro-marika amin’ny asa tanterahina amin’ireo mpiara-miasa aminy dia nomena azy ihany koa ny Fanahin Andriamanitra. Ny asan’ny Fanahy Masina araka izany dia mitarika ny olom-boafidy hizara ny fahaizany, hampianatra ny mpiara-miasa aminy mba ahafahana manatanteraka ny tanjona kendrena.
Fanontaniana: Misy ve olom-boafidy manao asa kitoatoa? Nahoana?