ROMANA 8.12-17

Ny tena zanak’Andriamanitra

1-Tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra

Ny fampianaran’ny Apostoly Paoly dia nilaza fa izay rehetra mino an’i Jesoà Kristy no tonga zanak’Andriamanitra .Ary satria zanak’Andriamanitra isika dia nirahin’Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahy masina mba hitari-dàlana antsika .Ny fanekena ny fitarihan’ny Fanahy Masina no porofo manambara fa tena zanak’Andriamanitra tokoa isika . Ny olona toy izany no ambaran’nyApostoly Paoly hoe: velona araka ny Fanahy ka ny Fanahy Masina izay mitoetra ao anatintsika mihitsy no manambara amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika (and16/ DIEM) .Araka izany dia manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiainantsika izay mino an’i Jesoa Kristy ny fitarihan’ny Fanahy Masina ka mahatonga antsika hangataka izany ,mialohan’ izay rehetra hataontsika , indrindra fa rehefa hamaky ny Tenin’Andriamanitra .

2-Mpiara-mandova amin’i Kristy

Marina amin’ny lafiny ilany ihany ny filazana fa isika olombelona rehetra dia zanak’Andriamanitra avokoa .Noho ny fahotantsika anefa dia azo lazaina hoe: zaza nania isika .Izay rehetra nahatsiaro ny fahadisoany ka nibebaka kosa dia noraisin’Andriamanitra indray ka tonga zanany .Natsangan’Andriamanitra ho zanany isika , ary izany no hhafahantsika miantso Azy hoe: « Aba » izay midika hoe: »dada » na « Ray malala » (and15).Nampanantenain’Andriamanitra fa ny tany Kanana no ho lovan’Israely .Fiainana mandrakizay kosa no lova omena ny kristiana. Antsoina hoe : mpiray lova amin’i Kristy ny mpino satria Kristy no efa nandray ny lova voalohany indrindra rehefa natsangana tamin’ny maty mba ho santatr’izay efa nodimandry .

Fanontaniana:

Inona no famantarana fa ny Fanahy Masina no mitarika antsika ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM